Boky faharoan'i Samoela 5:8
Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 5
Cross References
Joshua 13:3hatrany Sihora, izay atsinanan’ i Egypta, ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an’ ny Kananita, ireo andriana dimy amin’ ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita
1 Samuel 5:11Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina ka nanao hoe: Ampandehano ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any amin’ ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika; fa nanerana ny tanàna ny horohoron’ ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao ny tànan’ Andriamanitra.
1 Samuel 17:4Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin’ ny tobin’ ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany
1 Chronicles 7:21Zabada no zanakalahin’ i Tahata, Sotela no zanakalahin’ i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin’ ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman’ ondriny izy.
Zechariah 12:3Ary amin’ izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an’ ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin’ ny tany.