Boky faharoan'i Samoela 7:13
Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely intsony; ary ny tànan’ i Jehovah namely ny Filistina tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Samoela.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 7
Cross References
Judges 8:28Dia resy teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin’ ny andron’ i Gideona.
Judges 13:5Fa, indro, hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an’ Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin’ ny tanan’ ny Filistina.
1 Samuel 13:1Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
1 Samuel 14:20Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin’ ny ady izy, ary indreo ny Filistina nifamely tamin’ ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany.
1 Samuel 28:3(Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa noroahin’ i Saoly hiala amin’ ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)
2 Samuel 8:1Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin’ i Davida tamin’ ny tanan’ ny Filistina.