Boky faharoan'i Samoela 8:6
Fa tsy sitrak’ i Samoela ny nanaovan’ ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin’ i Jehovah Samoela.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 8
Cross References
Exodus 32:32Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
Numbers 16:22Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin’ ny fiangonana rehetra va Hianao?
1 Samuel 12:17Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an’ i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason’ i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.
1 Samuel 12:23Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin’ i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.
Ezra 9:3Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho.
Luke 6:11Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin’ izay hanaovany an’ i Jesosy.