Boky faharoan'i Samoela 8:7
Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ihany ny tenin’ ny olona amin’ izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 8
Cross References
Numbers 22:20Ary nony alina dia nankao amin’ i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan’ ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
1 Samuel 10:19Nefa ianareo kosa efa nandà an’ Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin’ ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan’ i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
1 Samuel 12:12Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan’ ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo.
Psalms 81:11Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.
Hosea 13:10Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?
Matthew 10:40Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.