Boky faharoan'i Samoela 8:9
Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon’ ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 8
Cross References
1 Samuel 2:13Ary izao no fanaon’ ny mpisorona tamin’ ny olona: Raha nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon’ ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,
1 Samuel 10:25Ary Samoela nilaza tamin’ ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin’ ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan’ i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin’ i Samoela ho any an-tranony avy.
Ezekiel 3:18Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin’ ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin’ ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ ny tananao ny ràny.
Ezekiel 46:18Ary tsy haka amin’ ny lovan’ ny vahoaka hampiala azy amin’ ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin’ ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan’ ny oloko hiala amin’ ny zara-taniny.