Boky faharoan'i Samoela 9:6
Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin’ Andriamanitra amin’ iroa tanàna iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 9
Cross References
Deuteronomy 33:1Ary izao no tso-drano nataon’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.
1 Samuel 3:19Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
2 Kings 6:6Ary hoy ny lehilahin’ Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.
Isaiah 44:26Ary mahatò ny tenin’ ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin’ i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo,
Matthew 24:35Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
1 Thessalonians 5:13ary mba hohajainareo indrindra amin’ ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.