Boky faharoan'i Samoela 9:7
Dia hoy Saoly tamin’ ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin’ ny fitondrantsika, ary tsy misy zavatra haterintsika ho an’ ny lehilahin’ Andriamanitra; ka inona moa no atỳ amintsika?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 9
Cross References
Judges 6:18Masìna Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao.
1 Kings 13:7Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao.
2 Kings 4:42Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin’ ny voaloham-bokatra ho an’ ny lehilahin’ Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.
2 Kings 5:15Ary niverina nankao amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izy mbamin’ izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin’ ny tany rehetra, afa-tsy ato amin’ ny Isiraely ihany koa masìna ianao, raiso ny saotra aterin’ ny mpanomponao.