Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 1:10
ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin’ ny fahatezerana ho avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 1
Cross References
Genesis 49:18Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!
Isaiah 25:8Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
Matthew 3:7Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
Luke 3:7Dia hoy izy tamin’ ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
Acts 2:24fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ ny fahafatesana, satria tsy laitr’ izany hohazonina Izy.
Acts 3:21Ilay tsy maintsy horaisin’ ny lanitra mandra-pihavin’ ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’ Andriamanitra ny mpaminaniny masìna hatramin’ ny voalohany indrindra.