Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 3:5
Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 3
Cross References
Daniel 6:19Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy.
Acts 15:36Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin’ i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin’ ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin’ ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.
2 Corinthians 2:11fandrao ho resin’ ny fitak’ i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
2 Corinthians 11:2Fa fahasaro-piaro araka an’ Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an’ i Kristy.
Galatians 1:6Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin’ izay efa niantso anareo tamin’ ny fahasoavan’ i Kristy ho amin’ ny filazantsara hafa,
Galatians 4:11Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.