Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 5:12
Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ ny Tompo ary mananatra anareo,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
13ary mba hohajainareo indrindra amin’ ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 5
Cross References
Luke 10:1Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
John 4:38Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin’ izay nisasarany.
Acts 20:35Efa nasehoko anareo tamin’ ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’ i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
1 Corinthians 12:28Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin’ ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.
1 Corinthians 16:16mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.
2 Corinthians 5:9Koa dia ataontsika ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra.