Epistily voalohany ho an'i Timoty 4:12
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ ny mino ianao amin’ ny fiteny, amin’ ny fitondran-tena, amin’ ny fitiavana, amin’ ny finoana, amin’ ny fahadiovana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
13Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.
Read all of Epistily voalohany ho an'i Timoty 4
Cross References
Matthew 18:10Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ ny Raiko Izay any an-danitra.
1 Corinthians 16:10Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan’ ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa.
Philippians 4:8Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
1 Thessalonians 2:10Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masìna sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondran-tenanay teo imasonareo izay mino,
1 Timothy 1:14Fa be indrindra ny fahasoavan’ ny Tompontsika tamin’ ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
2 Timothy 2:15Mazotoa manolotra ny tenanao amin’ Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.