Epistily voalohany ho an'i Timoty 5:10
ary tsara laza amin’ ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masìna, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'i Timoty 5
Cross References
Genesis 19:2Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon’ ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin’ izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina.
Leviticus 25:35Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy.
Isaiah 1:17Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin’ ny mpitondratena.
Matthew 25:17Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.
Luke 7:44Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin’ i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ ny ranomasony, dia namaoka azy tamin’ ny volon-dohany.
Acts 6:3Koa amin’ izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.