Epistily voalohany ho an'i Timoty 5:8
Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.
Read all of Epistily voalohany ho an'i Timoty 5
Cross References
Isaiah 58:7Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ ny namanao ianao?
Matthew 18:17Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.
Luke 12:47Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon’ ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
2 Corinthians 2:15Fa hanitr’ i Kristy ho an’ Andriamanitra izahay amin’ izay hovonjena sy izay ho very:
2 Corinthians 12:14Indro, efa fanintelony izao no vonona hankatỳ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ ny zanany.
2 Timothy 3:5manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.