Epistily voalohany ho an'i Timoty 6:12
Miadia ny ady tsaran’ ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’ izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ ny vavolombelona maro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'i Timoty 6
Cross References
Deuteronomy 26:17Efa nampiteny an’ i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin’ ny lalany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary hihaino ny feony.
Psalms 63:8Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin’ ny aloky ny elatrao no hihobiako.
Song of Solomon 3:4Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, dia hitako ilay tian’ ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon’ ineny, dia any amin’ ny efi-tranon’ ilay niteraka ahy.
Zechariah 10:5Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
Romans 8:28Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
Romans 10:9satria raha manaiky an’ i Jesosy ho Tompo amin’ ny vavanao ianao ary mino amin’ ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ ny maty, dia hovonjena ianao.