Epistily voalohany ho an'i Timoty 6:19
ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ ny tenany ho amin’ ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
Read all of Epistily voalohany ho an'i Timoty 6
Cross References
Psalms 17:14Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ ny zanany madinika.
Proverbs 31:25Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
Matthew 10:41Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian’ ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian’ ny olona marina.
Matthew 25:34Ary amin’ izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’ izay eo amin’ ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
Luke 12:33Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
Luke 16:25Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay atỳ, ary ianao kosa no fadiranovana.