Bokin'ny Tantara 10:15
Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin’ Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita tamin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 10
Cross References
Judges 14:4Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin’ i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin’ ny Filistina Izy; fa tamin’ izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.
2 Samuel 17:14Ary hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely: Tsara noho ny hevitra nataon’ i Ahitofela ny nataon’ i Hosay Arkita. Fa efa notendren’ i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon’ i Ahitofela, hampidiran’ i Jehovah loza amin’ i Absaloma.
1 Kings 11:31Ary hoy izy tamin’ i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin’ ny tànan’ i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo
1 Kings 12:24Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mandeha hiady amin’ ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin’ i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin’ i Jehovah.
2 Chronicles 9:29Ary ny tantaran’ i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra va izany ao amin’ ny bokin’ i Natana mpaminany sy amin’ ny faminanian’ i Ahia Silonita sy amin’ ny fahitan’ Ido mpahita ny amin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata?
2 Chronicles 25:16Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian’ ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.