Bokin'ny Tantara 10:16
Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Fa ny Zanak’ isiraely izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.
Read all of Bokin'ny Tantara 10
Cross References
1 Samuel 20:27Ary nony tamin’ ny andro faharoa dia ny ampitson’ ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan’ i Davida, dia hoy Saoly tamin’ i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan’ ny zanak’ i Jese hihinana omaly sy androany?
1 Samuel 22:7dia hoy Saoly tamin’ ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak’ i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba homen’ ny zanak’ i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra,
1 Samuel 22:13Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak’ i Jese, tamin’ ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin’ Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin’ izao anio izao?
2 Samuel 15:13Ary nisy olona tonga tao amin’ i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an’ i Absaloma fon’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
2 Samuel 20:1Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak’ i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin’ i Davida na lova amin’ ny zanak’ i Jese; samia mody any amin’ ny lainy avy, ry Isiraely ô.
1 Kings 11:34Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin’ ny andro rehetra hiainany noho ny amin’ i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko;