Bokin'ny Tantara 11:15
fa nanendry mpisorona ho amin’ ny fitoerana avo sy ho an’ ny Seïrima ary ho an’ ny ombilahy kely izay nataony).
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 11
Cross References
Exodus 32:31Ary Mosesy dia niverina ho ao amin’ i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.
Deuteronomy 32:17Namono zavatra ho fanatitra ho an’ ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran’ ny razanareo.
1 Kings 12:31Ary nanao trano teny amin’ ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan’ ny taranak’ i Levy.
1 Kings 14:9fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:
Hosea 8:5Maharikoriko ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo ny fahadiovana?
1 Corinthians 10:20Tsia, fa izay zavatra aterin’ ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ ny demonia, fa tsy amin’ Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin’ ny demonia ianareo.