Bokin'ny Tantara 11:17
Ka dia nampahery ny fanjakan’ ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak’ i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin’ ny lalan’ i Davida sy Solomona telo taona izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 11
Cross References
2 Chronicles 1:1Ary Solomona, zanak’ i Davida, dia nitombo hery tamin’ ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra.
2 Chronicles 8:13eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin’ i Mosesy dia tamin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo.
Hosea 6:4Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.