Bokin'ny Tantara 12:1
Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan’ i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 12
Cross References
Deuteronomy 6:10Ary rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
Deuteronomy 32:15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
Judges 2:15Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan’ i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.
1 Kings 12:17Fa ny Zanak’ Isiraely izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.
1 Kings 14:22Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin’ ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon’ ny razany.
2 Chronicles 11:3Mitenena amin-dRehoboama, zanak’ i Solomona, mpanjakan’ ny Joda, sy amin’ ny Isiraely rehetra amin’ ny Joda sy ny Benjamina hoe: