Bokin'ny Tantara 13:11
ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an’ i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin’ ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao amin’ ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain’ i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 13
Cross References
Genesis 26:5satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
Exodus 27:20Ary mandidia ny Zanak’ Isiraely hitondra aminao diloilon’ oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva.
Exodus 30:1Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.
Leviticus 24:2Mandidia ny Zanak’ Isiraely hitondra aminao diloilon’ oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva.
Numbers 1:53Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
Numbers 16:6Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Makà fitondran’ afo ho anareo rahampitso.