Bokin'ny Tantara 13:15
Dia nihoby ny lehilahy amin’ ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an’ i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan’ i Abia sy ny Joda.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 13
Cross References
Joshua 6:16Ary tamin’ ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Manakorà! fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tanàna.
Joshua 11:8Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan’ ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-mamia ary hatramin’ ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Judges 7:18Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An’ i Jehovah sy Gideona!
2 Chronicles 14:11Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan’ i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny.
2 Chronicles 20:21Ary rehefa niara-nihevitra tamin’ ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an’ i Jehovah hidera amin’ ny fihaingoana masìna, raha mivoaka eo anoloan’ ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Psalms 47:1Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Salamo.