Bokin'ny Tantara 13:3
Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 13
Cross References
1 Samuel 17:1Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan’ i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima.
2 Chronicles 11:1Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak’ i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin’ ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.
2 Chronicles 17:14Ary izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin’ ny Joda dia Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy mahery telo hetsy;