Bokin'ny Tantara 13:5
Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an’ i Davida mandrakizay ny fanjakan’ ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin’ ny fanekena nasiantsira.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 13
Cross References
Leviticus 2:13Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran’ ny faneken’ Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin’ ny fanatitrao rehetra.
Judges 11:21Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an’ i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tànan’ ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon’ ny Isiraely ny tanin’ ny Amorita rehetra, mponina tany amin’ izany tany izany.
1 Samuel 16:12Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.
2 Samuel 10:13Ary Joaba sy ny olona nanaraka azy nandroso hiady amin’ ny Syriana; ary dia nandositra niala teo anoloany ireo.
1 Chronicles 17:11Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan’ ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;
1 Chronicles 28:4Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin’ ny ankohonan’ ny raiko rehetra ho mpanjakan’ ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin’ ny taranak’ i Joda indray dia ny ankohonan’ ny raiko no nofidiny; ary tamin’ ny ankohonan’ ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin’ ny Isiraely rehetra.