Bokin'ny Tantara 14:10
Ary Asa nitaraina tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaikin’ i Maresa izy.
11Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan’ i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny.
Read all of Bokin'ny Tantara 14
Cross References
Deuteronomy 20:1Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, no momba anao.
Judges 1:17Ary Joda nandeha niaraka tamin’ i Simeona rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina tany Zefata, ka nataony ringana ireo, ary ny anaran’ ny tanàna nataony hoe Horma.
1 Samuel 17:45Fa hoy kosa Davida tamin’ ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin’ ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
2 Chronicles 26:7Ary Andriamanitra nanampy azy hamely ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gorabala ary ny Meonita.
2 Chronicles 32:20Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza, ka nitaraina tamin’ ny lanitra.
Psalms 20:8Ny sasany mitoky amin’ ny kalesy, ary ny sasany amin’ ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’ i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.