bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 14 › Bokin'ny Tantara 14:5
Bokin'ny Tantara 14:5
Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin’ izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Also he took away out of all the cities of Judah the high places and the images: and the kingdom was quiet before him.
In Context
4Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro teny amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany.
6Dia hoy izy tamin’ ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an’ i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin’ ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.
Read all of Bokin'ny Tantara 14
Cross References
2 Chronicles 11:5Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.
2 Chronicles 34:7dia noravany koa ny alitara sy ny Aseraha; ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka; ary ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra dia nokapainy; ary dia niverina ho any Jerosalema izy.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'ny Tantara 14:5