Bokin'ny Tantara 15:11
Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman’ osy fito arivo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 15
Cross References
Numbers 31:28kanefa makà anjara ho an’ i Jehovah avy amin’ ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’ osy;
1 Samuel 15:15Ary hoy Saoly: Avy tany amin’ ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman’ osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay ihany avokoa.
1 Chronicles 26:26Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian’ ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin’ i Davida mpanjaka sy ny lohan’ ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin’ ny miaramila.
2 Chronicles 7:5Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman’ osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’ Andriamanitra.
2 Chronicles 14:13Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an’ i Gerara izy; fa ny fahatahorana an’ i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao.