Bokin'ny Tantara 15:12
Ary nanao fanekena hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 15
Cross References
Deuteronomy 6:5Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
Deuteronomy 29:1Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah teo imasonareo tany amin’ ny tany Egypta tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,
Deuteronomy 29:12hanandratany anao ho fireneny, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany tamin’ ny razanao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
1 Kings 8:48ka dia miverina aminao amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin’ ny tanin’ ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao,
2 Chronicles 11:16Ary na iza na iza tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
2 Chronicles 19:3Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin’ ny tany ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an’ Andriamanitra ianao.