Bokin'ny Tantara 15:2
ary dia nivoaka hitsena an’ i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary ny Fanahin’ Andriamanitra tonga tamin’ i Azaria, zanak’ i Odeda;
3Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an’ Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna.
Read all of Bokin'ny Tantara 15
Cross References
Numbers 14:43fandrao ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.
Deuteronomy 20:1Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, no momba anao.
Judges 9:7Ary nisy nilaza izany tamin’ i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon’ ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan’ Andriamanitra anareo kosa.
1 Samuel 12:14Enga anie ka hatahotra an’ i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo.
1 Kings 11:25Ary izy koa dia fahavalon’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon’ i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.
1 Chronicles 28:9Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.