The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 15 › Bokin'ny Tantara 15:9

Bokin'ny Tantara 15:9

Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin’ ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin’ ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And he gathered all Judah and Benjamin, and the strangers with them out of Ephraim and Manasseh, and out of Simeon: for they fell to him out of Israel in abundance, when they saw that the LORD his God was with him.

In Context

8Ary raha ren’ i Asa izany teny izany sy ny faminanian’ i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ ny tanin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin’ ny tanàna izay azony tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, sady nanavao ny alitaran’ i Jehovah izay teo anoloan’ ny lavarangana fidirana amin’ ny tranon’ i Jehovah.

10Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin’ ny volana fahatelo tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Asa.

Read all of Bokin'ny Tantara 15

Cross References

Genesis 39:3Ary hitan’ ny tompony fa nomban’ i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin’ i Jehovah avokoa teo aminy.

1 Kings 3:28Ary raha ren’ ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon’ ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren’ Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.

1 Chronicles 12:19Ary nisy sasany tamin’ ny Manase niala hanatona an’ i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin’ i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan’ ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin’ i Saoly tompony.

2 Chronicles 19:4Ary Josafata nitoetra tany Jerosalema; ary nandeha hitety ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka hatrany amin’ ny tany havoan’ i Efraima ary nampiverina ny olona ho amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.

2 Chronicles 30:25Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra tafangona avy tamin’ ny Isiraely mbamin’ ny vahiny izay avy tany amin’ ny tany Isiraely ary izay nonina tany Joda.

Zechariah 8:23Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Amin’ izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Tantara 15:9

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Tantara 15:8Bokin'ny Tantara 15Bokin'ny Tantara 15:10 →