Bokin'ny Tantara 16:10
Dia tezitra tamin’ ilay mpahita Asa ka nanao azy tao an-trano-maizina; fa nisafoaka aminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin’ i Asa tamin’ izay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 16
Cross References
2 Samuel 11:4Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin’ ny halotoany, dia nody tany an-tranony.
2 Samuel 12:31Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin’ ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin’ ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin’ ny tanànan’ ny taranak’ i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.
1 Kings 13:4Ary nony ren’ i Jeroboama mpanjaka ny tenin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin’ ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony.
2 Chronicles 25:16Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian’ ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
Job 20:19Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
Proverbs 9:7Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.