Bokin'ny Tantara 16:7
Ary tamin’ izany andro izany dia nankeo amin’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin’ ny mpanjakan’ i Syria fa tsy niankina tamin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 16
Cross References
1 Kings 16:1Ary tonga tamin’ i Jeho, zanak’ i Hanany, ny tenin’ i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe:
2 Kings 18:5Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin’ izay rehetra mpanjakan’ ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany
2 Chronicles 13:18Toy izany no nampietrena ny Zanak’ isiraely fahizay; ary ny taranak’ i Joda no nahery, satria niankina tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
2 Chronicles 20:32Ary nandeha tamin’ ny lalana nalehan’ i Asa rainy izy ka tsy niala tamin’ izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah.
2 Chronicles 32:7Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan’ i Asyria sy ny hamaroan’ ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
Isaiah 31:1Lozan’ izay midìna any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ ny Isiraely, na mitady an’ i Jehovah.