Bokin'ny Tantara 17:11
Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an’ i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman’ osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.
Read all of Bokin'ny Tantara 17
Cross References
2 Samuel 8:2Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin’ ny tany ireo ary nohariny tamin’ ny kofehy, ka izay indroan’ ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon’ i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
2 Kings 3:4Ary Mesa, mpanjakan’ i Moaba, nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia zanak’ ondry iray hetsy sy ny volon’ ondrilahy iray hetsy.
2 Chronicles 9:24Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
2 Chronicles 26:8Ary ny Amonita nandoa hetra ho an’ i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin’ i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy.