Bokin'ny Tantara 17:9
Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah, dia nitety ny tanànan’ ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin’ ny olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 17
Cross References
Deuteronomy 31:11ka avy hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan’ ny Isiraely rehetra ny tenin’ ity lalàna ity hihainoany azy.
2 Chronicles 35:3Ary hoy izy tamin’ ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masìna ho an’ i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, ny fiara masìna; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony;
Isaiah 8:20Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina.
Matthew 10:23Ary raha manenjika anareo amin’ ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin’ ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan’ ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan’ ny Zanak’ olona.
Matthew 15:2Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina.
Luke 4:17Dia natolotra Azy ny bokin’ Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: