Bokin'ny Tantara 18:4
Ary hoy Josafata tamin’ ny mpanjakan’ ny Isirady; Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Jehoshaphat said unto the king of Israel, Enquire, I pray thee, at the word of the LORD to day.
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 18
Cross References
1 Samuel 23:4Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
2 Samuel 2:1Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin’ ny tanànan’ ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
2 Samuel 5:23Ary nanontany tamin’ i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin’ ny tandrifin’ ny hazo balsama.
2 Chronicles 34:26Fa ny amin’ ny mpanjakan’ ny Joda kosa izay naniraka anareo hanontany amin’ i Jehovah, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin’ ny teny izay efa novakinao,
Jeremiah 21:2Masìna ianao, manontania amin’ i Jehovah ho anay; miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan’ ireo aminay.