Bokin'ny Tantara 18:9
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda, samy nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany avy teo amin’ ny famoloana eo anoloan’ ny vavahadin’ i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 18
Cross References
1 Kings 22:10Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda, samy nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany avy teo amin’ ny famoloana eo anoloan’ ny vavahadin’ i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany.
Isaiah 14:9Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin’ ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin’ ny tany; Aingainy hiala amin’ ny seza fiandrianana ny mpanjakan’ ny firenena rehetra.
Ezekiel 26:16Dia hidina hiala amin’ ny seza fiandrianany ireo andrianan’ ny ranomasina rehetra ka hiala akanjo sy hanaisotra ny fitadiany misoratsoratra; Hovotra no hitafiany, ka hipetraka amin’ ny tany izy; ary hangovitra isaky ny indray mipi-maso izy ka ho gaga anao.
Matthew 6:29nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ ireny.
Matthew 19:28Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny ny Zanak’ olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianana roa ambin’ ny folo ka hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo.