Bokin'ny Tantara 19:11
Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin’ ny raharahan’ i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak’ Isimaela, mpanapaka ny taranak’ i Joda, ho lehibenareo amin’ ny raharahan’ ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 19
Cross References
Joshua 1:6Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin’ ny razany homena azy.
1 Chronicles 6:11Ny amin’ i Elkana, ny zananilahy dia Zofay, ary Nahata no zanakalahin’ i Zofay,
1 Chronicles 22:16Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah.
1 Chronicles 26:30Ary tamin’ ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin’ ny Isiraely tany an-dafy andrefan’ i Jordana ny amin’ ny raharaha rehetra ho an’ i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka.
1 Chronicles 28:20Ary hoy koa Davida tamin’ i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon’ i Jehovah.
2 Chronicles 15:7Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.