Bokin'ny Tantara 19:3
Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin’ ny tany ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an’ Andriamanitra ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 19
Cross References
1 Kings 14:13Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin’ ny tamingan’ i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
2 Chronicles 12:12Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran’ i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin’ ny Joda.
2 Chronicles 15:12Ary nanao fanekena hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,
2 Chronicles 17:3Ary Jehovah nomba an’ i Josafata, satria nandeha tamin’ ny nalehan’ i Davida rainy izy, dia ilay tamin’ ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala;
2 Chronicles 22:9Ary nitady an’ i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin’ i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak’ i Josafata, ilay nitady an’ i Jehovah tamin’ ny fony rehetra, ity. Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak’ i Ahazia.
2 Chronicles 30:19izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an’ Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan’ ny fitoerana masìna aza izy.