Bokin'ny Tantara 20:2
Ary nisy tonga ka nanambara tamin’ i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin’ ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 20
Cross References
Genesis 14:7Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an’ ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
Joshua 3:16dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ ny tanàna Adama, izay eo anilan’ i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin’ ny ranomasin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin’ i Jeriko.
Ezekiel 47:10Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin’ ny Ranomasina Lehibe.