Bokin'ny Tantara 20:25
Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 20
Cross References
Exodus 12:35Ary ny Zanak’ Isiraely nanao araka ny tenin’ i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin’ ny Egyptiana.
Numbers 31:53(fa ny mpanafika samy namabo ho an’ ny tenany).
Judges 8:24Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin’ ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).
2 Kings 7:9Dia nifampilaza hoe izy: Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny mahafaly, nefa mangìna isika; raha hitoetra eto mandra-pahamarain’ ny andro isika, dia hanan-keloka; fa andeha isika hilaza ao an-tranon’ ny mpanjaka.
Psalms 68:12Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.
Ezekiel 39:8Indro, tonga izany ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko.