Bokin'ny Tantara 20:26
Ary tamin’ ny andro fahefatra dia nivory tao amin’ ny lohasaha Beraka izy, fa tany no nisaorany an’ i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 20
Cross References
Genesis 32:20Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko, ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin’ i Esao, raha hitanareo izy.
Exodus 17:15Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.
2 Samuel 22:1Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an’ i Jehovah tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tànan’ i Saoly,
Psalms 103:1Nataon’ i Davida. Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masìna.
Isaiah 62:4Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak’ i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.
Acts 1:19Ary fantatr’ izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran’ izany saha izany amin’ ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà.