Bokin'ny Tantara 20:28
Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And they came to Jerusalem with psalteries and harps and trumpets unto the house of the LORD.
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 20
Cross References
1 Chronicles 13:8Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.
1 Chronicles 25:6Ireo rehetra ireo no fehin’ ny rainy tamin’ ny hira natao tao an-tranon’ i Jehovah tamin’ ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin’ ny mpanjaka.
Psalms 92:3Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
Psalms 149:3Aoka hidera ny anarany amin’ ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga.
Revelation 14:2Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an’ ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.