Bokin'ny Tantara 20:9
Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin’ ity trano ity) ka hitaraina aminao amin’ ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ary nonina tatỳ izy ka nanao fitoerana masìna teto ho an’ ny anaranao sady nanao hoe:
Read all of Bokin'ny Tantara 20
Cross References
Exodus 23:21Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.
1 Kings 8:33Raha resy eo anoloan’ ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin’ ity trano ity izy,
2 Chronicles 6:5Hatramin’ ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ ny firenen’ isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran’ ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko;
2 Chronicles 6:28Raha misy mosary amin’ ny tany, na areti-mandringana, na mainan’ ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin’ ny taniny, dia ao amin’ ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
Ezra 10:1Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin’ ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin’ ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
Matthew 18:20Fa na aiza na aiza no iangonan’ ny roa na telo amin’ ny anarako, dia ao afovoany Aho.