Bokin'ny Tantara 22:11
Fa Joseba, zanakavavin’ ny mpanjaka, dia naka an’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin’ ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin’ i Joseba, zanakavavin’ i Jehorama mpanjaka, vadin’ i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin’ i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan’ i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 22
Cross References
2 Samuel 7:13dia io no hanao trano ho an’ ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan’ ny fanjakany ho mandrakizay.
2 Kings 11:2Fa Joseba, zanakavavin’ i Jehorama mpanjaka ary anabavin’ i Ahazia, dia naka an’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, ka namonjy azy mbamin’ ny mpitaiza azy avy teo amin’ ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an’ i Atalia izy, ka dia tsy mba voavono.
2 Chronicles 23:1Ary tamin’ ny taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin’ ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak’ i Jerohama, sy Isimaela, zanak’ i Johanana, sy Azaria, zanak’ i Obeda, sy Mahaseia, zanak’ i Adaia, ary Elisafata, zanak’ i Zikry.
Psalms 76:10Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. [Sela.]
Isaiah 65:8Izao no lazain’ i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon’ ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin’ ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
Acts 4:28mba hanao izay notendren’ ny tananao aman-tsainao rahateo hatao.