Bokin'ny Tantara 22:6
Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria. Ary Azaria, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, nidina mba hamangy an’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 22
Cross References
2 Kings 8:29Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazan’ ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria. Ary Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, nidina hamangy an’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.
2 Kings 10:13dia nifanena amin’ ny rahalahin’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin’ i Ahazia izahay ary midìna mba hamangy ny zanakalahin’ ny mpanjaka sy ny zanakalahin’ ny andriambavy.
2 Chronicles 22:1Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an’ i Ahazia, faralahin’ i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin’ ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, no nanjaka.