Bokin'ny Tantara 22:7
Ary avy tamin’ Andriamanitra ny loza nanjo an’ i Ahazia tamin’ ny nankanesany tany amin’ i Jorama, fa nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin’ i Jorama mba hitsena an’ i Jeho, zanak’ i Nimsy, izay nohosoran’ i Jehovah handringana ny taranak’ i Ahaba.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 22
Cross References
Deuteronomy 32:35Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
Judges 14:4Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin’ i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin’ ny Filistina Izy; fa tamin’ izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.
1 Kings 12:24Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mandeha hiady amin’ ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin’ i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin’ i Jehovah.
1 Kings 22:20Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an’ i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
2 Kings 9:21Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan’ ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, samy nitsangana teo amin’ ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an’ i Jeho, ary nifanena taminy teo amin’ ny tanin’ i Nabota Jezirelita izy.
2 Chronicles 10:15Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin’ Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita tamin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata.