Bokin'ny Tantara 23:15
Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin’ ny fidirana amin’ ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 23
Cross References
Judges 1:7Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin’ ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin’ Andriamanitra ahy! Ary nentin’ ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
2 Chronicles 22:10Ary nony hitan’ i Atalia, renin’ i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’ andriana rehetra tamin’ ny taranak’ i Joda.
Psalms 5:6Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.
Jeremiah 31:40Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin’ ny Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin’ ny zoron’ ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masìna ho an’ i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
James 2:13Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’ izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.