Bokin'ny Tantara 23:18
Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon’ i Jehovah hofehezin’ ny Levita mpisorona izay nozarazarain’ i Davida ho ao an-tranon’ i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, amin’ ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’ i Davida natao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 23
Cross References
Numbers 28:1Ary Jehovah niteny tamin’ i ka nanao hoe:
Numbers 28:28ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan’ ondrilahy iray,
1 Chronicles 23:4Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin’ ireo dia ataoko ho tonian’ ny asa ao an-tranon’ i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
1 Chronicles 25:1Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy:
2 Chronicles 7:6Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon’ i Jehovah, izay nataon’ i Davida mpanjaka hiderana an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony, raha nasain’ i Davida nidera an’ Andriamanitra izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana teo.
2 Chronicles 29:30Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an’ i Jehovah tamin’ ny teny namboarin’ i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin’ ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.