bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 23 › Bokin'ny Tantara 23:19
Bokin'ny Tantara 23:19
Ary nalatsany teo am-bavahadin’ ny tranon’ i Jehovah ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he set the porters at the gates of the house of the LORD, that none which was unclean in any thing should enter in.
In Context
18Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon’ i Jehovah hofehezin’ ny Levita mpisorona izay nozarazarain’ i Davida ho ao an-tranon’ i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, amin’ ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’ i Davida natao.
20Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon’ ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana izy.
Read all of Bokin'ny Tantara 23
Cross References
1 Chronicles 9:23Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ny trano-lay.
2 Chronicles 8:14Ary notendreny koa ny antokon’ ny mpisorona araka ny nandaharan’ i Davida rainy azy ho amin’ ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin’ ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan’ andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin’ ny isam-bavahady; fa izany no nandidian’ i Davida lehilahin’ Andriamanitra, azy.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'ny Tantara 23:19