Bokin'ny Tantara 24:20
Ary Zakaria, zanak’ i Joiada mpisorona, notsindrian’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nitsangana teo amin’ ny avoavo teo anatrehan’ ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin’ i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an’ i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 24
Cross References
Deuteronomy 29:25Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy;
1 Samuel 13:13Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Nanao adala ianao; tsy nitandrina ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy izany, ankehitriny Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin’ ny Isiraely ho mandrakizay.
1 Chronicles 12:18Ary Amasay, lehiben’ ny mpanafika malaza, dia nampitenenin’ ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak’ i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’ ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin’ i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
2 Chronicles 12:5Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’ i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan’ i Sisaka.
2 Chronicles 20:14Ary Jahaziela, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Benaia, zanak’ i Jeiela, zanak’ i Matania, Levita amin’ ny taranak’ i Asafa, dia voatsindrin’ ny Fanahin’ i Jehovah teo amin’ ny fiangonana
2 Chronicles 25:16Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian’ ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.